1 Samuel 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha tsy mbola nodorana ho fofona ny jabora dia avy ny zatovon’ny mpisorona ka niteny tamin’izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ny mpisorona; fa tsy handray hena masaka avy aminao izy fa manta ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola tsy voadoro akory ny sabora, dia tonga ny mpanompon’ny mpisorona, milaza amin’izay manatitra sorona hoe: «Omeo hena aho, hatsatsika ho an’ny mpisorona, fa tsy handray hena masaka aminao izy, fa ny mbola manta ihany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afa-tsy izany, raha tsy mbola voadoro ny tavin-kena, dia tonga ny mpanampy ny mpisorona ka milaza amin’ilay mpanao sorona hoe: «Omeo hena hatsatsika aho ho an’ny mpisorona; fa tsy hekeny ny hena masaka avy aminao, fa ny manta ihany.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha tsy mbola nodorana ho fofona ny jabora dia avy ny zatovon’ny mpisorona ka niteny tamin’izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ny mpisorona; fa tsy handray hena masaka avy aminao izy fa manta ihany.
malagasy