1 Samuel 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hoy ilay olona aminy hoe: Aoka hodorana aloha ny jabora fa avy eo vao halainao izay tianao, dia novaliny hoe: Tsia; fa omeo izao ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany dia halaiko an-keriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha miteny aminy ny olona manao hoe: «Aoka aloha hodorana hanetona ny sabora, vao izay vao maka izay tianao ianao» dia valian’ity mpanompo manao hoe: «Tsia, omeo ankehitriny izao ihany, fa raha tsy izany dia halaiko ankehitriny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha misy manao aminy hoe: «Aoka aloha hodorana ny taviny; izay ianao vao maka izay tianao», dia hoy ilay mpanampy ny mpisorona aminy: «Tsia, omeo ahy izao ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hoy ilay olona aminy hoe: Aoka hodorana aloha ny jabora fa avy eo vao halainao izay tianao, dia novaliny hoe: Tsia; fa omeo izao ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany dia halaiko an-keriny.
malagasy