1 Samuel 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsodrano an’i Elkana mivady i Ely hoe: Homen’NY TOMPO zaza amin’ity vehivavy ity anie ianao ho solon’ilay voatolotra ho an’NY TOMPO. Dia lasa nody izy mivady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Helì nitso-drano an’i Elkanà mivady ka nanao hoe: «Homen’i Iaveh taranaka amin’ity vehivavy ity anie ianao noho ny fanomezana nataony ho an’i Iaveh.» Dia lasa nody izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsodrano an’i Elkanà mivady i Helỳ, ka hoy izy tamin’ny lahy: –Ny TOMPO anie hanome taranaka anao avy amin’ity vehivavy ity, ho solon’ilay efa nomeny AZY! Dia lasa niverina nody izy mivady.
Malagasy Bible 1865
Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsodrano an’i Elkana mivady i Ely hoe: Homen’NY TOMPO zaza amin’ity vehivavy ity anie ianao ho solon’ilay voatolotra ho an’NY TOMPO. Dia lasa nody izy mivady.
malagasy
Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.