1 Samuel 2:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa antitra tokoa i Ely, ary reny izay rehetra nataon’ny zanany lahy tamin’ny Israely rehetra sy ny nandriany tamin’ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa antitra dia antitra i Helì, ary nandre ny nataon’ny zanany tamin’i Israely rehetra izy, sy ny nandriany tamin’ny vehivavy nanompo teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary efa tena antitra be i Helỳ. Rehefa reny avokoa izay nataon-janany tamin’ny Israelita, indrindra fa ny nandriany tamin’ireo vehivavy niasa teo amin’ny fidirana ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra,
Malagasy Bible 1865
Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa antitra tokoa i Ely, ary reny izay rehetra nataon’ny zanany lahy tamin’ny Israely rehetra sy ny nandriany tamin’ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*.
malagasy
Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.