1 Samuel 2:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona manota amin’olona dia Andriamanitra no hitsara azy; fa raha misy kosa manota amin’NY TOMPO, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin’ny rainy izy ireo satria efa sitraky NY TOMPO ny hahafaty azy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha olombelona no anotan’olombelona dia Andriamanitra no mitsangan-ko elanelam-panahy, fa raha i Iaveh kosa no anotàny, iza no hifona ho azy?» Tsy nihaino ny feon-drainy anefa izy fa ny hahafaty azy no sitrak’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha diso amin’ny olona toa azy ny olona iray, dia Andriamanitra no hitsara ny adiny; fa raha diso amin’ny TOMPO kosa ny olona iray, dia mba iza àry no hitsara? Tsy noraharahain’izy ireo anefa izany tenin-drainy izany, satria efa sitraky ny TOMPO rahateo ny hahafaty azy.
Malagasy Bible 1865
Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona manota amin’olona dia Andriamanitra no hitsara azy; fa raha misy kosa manota amin’NY TOMPO, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin’ny rainy izy ireo satria efa sitraky NY TOMPO ny hahafaty azy ireo.
malagasy
Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]