1 Samuel 2:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahin’Andriamanitra nankany amin’i Ely ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tsy efa niseho tamin’ny ankohonan-drainao tokoa va Aho raha mbola tany Ejipta tao an-tranon’i Farao izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy olon’Andriamanitra anankiray tonga tao amin’i Helì ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Tsy efa niseho mazava tamin’ny ankohonan-drainao va Aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon’i Faraôna?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tonga tao amin’i Helỳ ny mpaminany iray ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Raha mbola nandevozin’ny Farao tany Ejipta ny razanao, dia fantatrao tsara ny efa nisehoako taminy:
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahin’Andriamanitra nankany amin’i Ely ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tsy efa niseho tamin’ny ankohonan-drainao tokoa va Aho raha mbola tany Ejipta tao an-tranon’i Farao izy?
malagasy