1 Samuel 2:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nahoana no hitsakitsahinareo ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko atao ao amin’ny fonenako? Ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy ny tenanareo amin’izay tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra atolotry ny Israely oloko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ahoana no dia nohosenareo amin’ny tongotrareo ny sorona amam-panatitra ho Ahy izay nodidiako haterina ao amin’ny fonenako? Ary nahoana no dia ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, fa anatavezanareo tena ny tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra avy amin’i Israely vahoakako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nahoana no hitsakitsahinareo ny sorona sy ny fanatitra izay nodidiako hatao ao amin’ny Toeramasina fonenako. Ary nahoana ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, satria ianareo mampahatavy ny tenanareo amin’izay tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra ataon’ny Israelita vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nahoana no hitsakitsahinareo ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko atao ao amin’ny fonenako? Ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy ny tenanareo amin’izay tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra atolotry ny Israely oloko!
malagasy