1 Samuel 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mahery miteny an’avona ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana, fa NY TOMPO no Andriamanitry ny fahalalana ary Izy no mandanja ny asa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza dia fatra-piteny avonavona na mamoaka vava midaondaom-poana. Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra i Iaveh, ary velon-ko tsinontsinona ny asan’ny olombelona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atsaharo ny teny an’avona sy ny vava tsy ambina rehetra, fa Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra ny TOMPO; Izy no mitsara ny ataon’ny olona.
Malagasy Bible 1865
Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mahery miteny an’avona ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana, fa NY TOMPO no Andriamanitry ny fahalalana ary Izy no mandanja ny asa.
malagasy
Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.