1 Samuel 2:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izany no ilazan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny taranaky ny rainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy NY TOMPO, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.
Malagasy Bible 1865
Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izany no ilazan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny taranaky ny rainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy NY TOMPO, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
malagasy