1 Samuel 2:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hahita fahavalo ao amin’ny fonenako ianao, na inona na inona soa natao tamin’ny Israely, koa tsy hisy lehilahy ho tratra antitra amin’ny taranakao mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao hahita ny fonenanao amin’ny fotoana hamenoan’Andriamanitra soa an’i Israely: ary amin’ny taranakao tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony, na oviana na oviana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hahita mpandrafy hanao fandraharahana ao amin’ny Toeramasina fonenako ianao ary koa hahita ny soa rehetra hataony amin’i Israely; fa ny taranakao sisa rehetra kosa tsy hisy lahy ho tratra antitra intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hahita fahavalo ao amin’ny fonenako ianao, na inona na inona soa natao tamin’ny Israely, koa tsy hisy lehilahy ho tratra antitra amin’ny taranakao mandrakizay.
malagasy
Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo eo amin']