1 Samuel 2:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hisy lehilahy iray amin’ny taranakao izay tsy hesoriko eo anilan’ny alitarako mba hahapahina ny masonao sy handany ny ainao, ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hofongorako tsy ho eo amin’ny ôteliko avokoa ny lehilahy rehetra amin’ny taranakao mba hahajemby ny masonao sy handreraka ny fonao, nefa ho faty amin’ny taonan’ny fahatanjahany avokoa ny solofo rehetra amin’ny taranakao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa dia hotanako ihany ny iray amin’ny taranakao ho eo anilan’ny alitarako mba hokikisan’ny fialonana sy ny fahoriam-panahy izy; fa ny sisa rehetra kosa dia ho faty tanora.
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hisy lehilahy iray amin’ny taranakao izay tsy hesoriko eo anilan’ny alitarako mba hahapahina ny masonao sy handany ny ainao, ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.
malagasy
Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho eo anilan'ny alitarako dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao]