1 Samuel 2:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy izay hanatanteraka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary hampaharitra ny taranany Aho ka handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hanangana mpisorona mahatoky Aho, izay hanao araka ny foko sy ny fanahiko ary hanorenako trano mafy orina izy, ary handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo Aho dia hifidy mpisorona iray mahatoky ho Ahy, mpisorona izay hiasa araka ny sitrapoko; ary homeko taranaka izy mba ho mpisorona mifandimby tsy an-kijanona, eo anatrehan’ny mpanjaka voahosotro.
Malagasy Bible 1865
Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy izay hanatanteraka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary hampaharitra ny taranany Aho ka handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay izy.
malagasy
Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.