1 Samuel 2:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray sady hiteny hoe: Miangavy anao aho, mba tendreo ho isan’ny mpisorona aho mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ho avy hiankohoka eo anatrehany avokoa izay sisa tavela amin’ny taranakao, hangataka lela-vola na sombi-mofo kely, ary hiteny hoe: Raha sitrakao mba omeo anjara kely eo amin’ny raharaham-pisoronana aho, mba hahazoako mofo kely hohanina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izay sisa amin’ny fianakavianao dia handohalika eo anatrehan’ny mpisorona mba hahazo vola kely sy tapa-mofo, ka hanao aminy hoe: ‹Mba miangavy re, tompoko, omeo izay asa azoko anampiana ny mpisorona aho, mba sitrany ahay mofokely hohaniko›.»
Malagasy Bible 1865
Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray sady hiteny hoe: Miangavy anao aho, mba tendreo ho isan’ny mpisorona aho mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
malagasy