1 Samuel 2:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no manangana ny fadiranovana avy amin’ny vovoka sy manandratra ny mahantra avy eo amin’ny zezika mba hampiara-mitoetra azy amin’ny olo-manankaja sy hampandova azy sezam-boninahitra. Fa an’NY TOMPO ny andrin’ny tany ary eo amboniny no ametrahany izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Esoriny amin’ny vovoka ny mahantra; atsangany hiala amin’ny zezika ny tsy manana, hampiarahiny mitoetra amin’ny mpanjaka, ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. Fa an’i Iaveh ny andrin’ny tany, ary teo amboniny no nametrahany ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no manarina ny fadiranovana hiala amin’ny vovoka ary mampitsangana ny mahantra hiala amin’ny fako mba hanome azy toeram-boninahitra ka hampitoetra azy miaraka amin’ny mpitondra. Fa an’ny TOMPO ny tany tontolo satria Izy no nametraka azy eo amin’ny andry fiorenany.
Malagasy Bible 1865
Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no manangana ny fadiranovana avy amin’ny vovoka sy manandratra ny mahantra avy eo amin’ny zezika mba hampiara-mitoetra azy amin’ny olo-manankaja sy hampandova azy sezam-boninahitra. Fa an’NY TOMPO ny andrin’ny tany ary eo amboniny no ametrahany izao tontolo izao.
malagasy