1 Samuel 20:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandositra niala tao Naiota any Rama i Davida dia tonga teo anatrehan’i Jonatana ka nilaza taminy hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao no dia mitady ny aiko izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandositra niala tany Najôta any Ramà i Davida, ka nony tonga izy dia nilaza teo anatrehan’i Jônatasy hoe: «Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahadisoako teo anatrehan-drainao no dia mitady ny aiko izy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsoaka avy tao Naiôta akaikin’i Ramà i Davida, ka nankany amin’i Jônatàna zanakalahin’i Saoly izay nanontaniany hoe: –Inona no nataoko an-drainao, inona no fahadisoako, ary inona no heloko teo anatrehany no dia mifofo ny aiko izy?
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandositra niala tao Naiota any Rama i Davida dia tonga teo anatrehan’i Jonatana ka nilaza taminy hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao no dia mitady ny aiko izy?
malagasy
[Ny faran'ny nitadiavan'i Jonatana hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?