1 Samuel 20:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Jonatana tamin’i Davida: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no vavolombelona! Rehefa avy nofotorako tsara ny hevitry ny raiko rahampitso na afaka ampitso toy izao ka indro, misy soa ho an’i Davida, nefa tsy maniraka ho any aminao aho mba hanambara izany aminao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jônatasy tamin’i Davida: «I Iaveh Andriamanitr’i Israely! Hotsapaiko idada rahampitso na rahafakampitso, ka raha tsy misy atahorana ny amin’i Davida, ka tsy maniraka hilaza izany aminao aho,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jônatàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no vavolombelona fa hitsapa izay hevitry ny raiko aho, rahampitso na rahafakampitso amin’ny ora toy izao. Koa raha ny hahasoa anao no ao an-tsainy, dia tsy hampandre anao na inona na inona aho. Fa raha mihevitra hanisy ratsy anao kosa ny raiko,
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Jonatana tamin’i Davida: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no vavolombelona! Rehefa avy nofotorako tsara ny hevitry ny raiko rahampitso na afaka ampitso toy izao ka indro, misy soa ho an’i Davida, nefa tsy maniraka ho any aminao aho mba hanambara izany aminao,
malagasy