1 Samuel 20:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hataon’NY TOMPO toy izany anie i Jonatana; eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao dia hambarako aminao ka halefako ianao mba handehananao amin’ny fiadanana; ary homba anao tahaka ny tamin’ny raiko anie NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia aoka hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra i Jônatasy. Ary raha ny hanisy ratsy anao no sitrak’idada dia hampandrenesiko izany koa ianao, ka halefako mba handehananao amim-piadanana, ary homban’i Iaveh anao, toy ny nombany an’idada.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia enga anie hosazîn’ny TOMPO mafy tokoa aho raha tsy mampandre anao! Koa halefako ianao handeha tsy amin’ahiahy, ary dia homba anao tahaka ny nombàny ny raiko anie ny TOMPO!
Malagasy Bible 1865
dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hataon’NY TOMPO toy izany anie i Jonatana; eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao dia hambarako aminao ka halefako ianao mba handehananao amin’ny fiadanana; ary homba anao tahaka ny tamin’ny raiko anie NY TOMPO.
malagasy