1 Samuel 20:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy niteny na inona na inona anefa i Saoly tamin’iny andro iny satria hoy izy: Nisy zavatra nanjo an’i Davida ka tsy madio izy; eny, tsy madio izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy niteny na inona na inona i Saola tamin’io andro io, fa nisy zavatra nahazo azy izay, hoy izy, ka tsy madio izy, eny tokoa tsy madio izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’io andro io dia tsy niteny na inona na inona i Saoly; noheveriny manko fa nisy sampona tsy nampoizina nahazo an’i Davida, ka mampaloto azy ara-pivavahana.
Malagasy Bible 1865
Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy niteny na inona na inona anefa i Saoly tamin’iny andro iny satria hoy izy: Nisy zavatra nanjo an’i Davida ka tsy madio izy; eny, tsy madio izy.
malagasy
Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.