1 Samuel 20:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny hoe: Miangavy anao aho, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy dia manao fanatitra any an-tanàna ka asain’ny rahalahiko ho any aho; koa ankehitriny, raha mahita fitia eo imasonao aho, miangavy anao aho, aoka aho handeha hamangy ny rahalahiko. Izany no tsy mba nahatongavany teto amin’ny latabatry ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa hoy izy: Avelao kely re aho handeha, fa misy fisoronam-pianakaviana ho anay any an-tanàna, sady nanafatrafatra ahy erỳ ny rahalahiko, ka raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, avelao aho hankany, sady hizaha ny rahalahiko. Izany no antony tsy nahatongavany teto amin’ny latabatry ny mpanjaka».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Avelao aho handeha, hoy izy, fa misy sorona ataon’ny fianakavianay any, ary ny rahalahiko anankiray mihitsy no mandidy ahy hanatrika izany. Koa raha tianao ihany aho, dia avelao aho hitsoriaka hamangy an’ireo rahalahiko.» Izany no tsy nahatongavan’i Davida teto amin’ity sakafo ity.
Malagasy Bible 1865
nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny hoe: Miangavy anao aho, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy dia manao fanatitra any an-tanàna ka asain’ny rahalahiko ho any aho; koa ankehitriny, raha mahita fitia eo imasonao aho, miangavy anao aho, aoka aho handeha hamangy ny rahalahiko. Izany no tsy mba nahatongavany teto amin’ny latabatry ny mpanjaka.
malagasy