1 Samuel 20:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nianiana indray i Davida hoe: Fantatry ny rainao tokoa fa efa mahita fitia eo imasonao aho ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny fanahinao, toy ny indray mandingana monja no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly tamim-pianianana i Davida nanao hoe: «Fantatry ny rainao marimarina, fa nahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jônatasy izany, fandrao malahelo izy. Kanefa toy ny mahavelona an’i Iaveh sy ny mahavelona ny ainao dia marina raha tsy iray dia monja no elanelako amin’ny fahafatesana!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nikiry nanao izao fianianana izao i Davida hoe: –Fantatry ny rainao tsara ny halehiben’ny fitiavanao ahy, ka hoy izy anakampony: «Aoka tsy ho fantatr’i Jônatàna izany fandrao hampalahelo azy.» Nefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka sahiko lazaina fa indray mandingana sisa no manelanelana ahy sy ny fahafatesana.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nianiana indray i Davida hoe: Fantatry ny rainao tokoa fa efa mahita fitia eo imasonao aho ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny fanahinao, toy ny indray mandingana monja no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana.
malagasy