1 Samuel 20:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’i Jonatana ny fahatezeran’i Saoly ka hoy izy taminy: Zanaky ny vehivavy maditra sy mpikomy ianao! Moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak’i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny fitanjahan’ny reninao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay dia nirehitra tamin’i Jônatasy ny fahatezeran’i Saola ka hoy izy taminy: «Ry zana-behivavy ratsy sy maditra. Moa tsy fantatro fa misakaiza amin’ny zanak’i Isaï ianao? Ho fahafaham-baraka ho anao sy ho fahafaham-baraka ho an’ny kibon-dreninao izany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra tamin’i Jônatàna i Saoly ka nanao taminy hoe: –Zana-behivavy mpikomy ialahy! Fantatro izao fa miandany amin’ny zanakalahin’i Jisay ialahy ho henatra ho an’ialahy sy ny renin’ialahy.
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon 'ny reninao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra tamin’i Jonatana ny fahatezeran’i Saoly ka hoy izy taminy: Zanaky ny vehivavy maditra sy mpikomy ianao! Moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak’i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny fitanjahan’ny reninao.
malagasy
Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon'ny reninao.[Heb. fitanjahan']