1 Samuel 20:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria amin’ny andro rehetra ahaveloman’iny zanak’i Jese iny etỳ ambonin’ny tany dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa mandefasa iraka haka azy ho atỳ amiko, fa tokony ho faty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria raha mbola velona etỳ ambonin’ny tany koa iny zanak’i Isaï iny dia tsy hisy fandriam-pahalemana ho anao sy ho an’ny fanjakanao. Koa ankehitriny, ampanalao izy hankatỳ amiko, fa zanaky ny fahafatesana izy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola velona eto ambonin’ny tany koa iny zanakalahin’i Jisay iny, dia tsy ho tonga mpanjaka na oviana na oviana amin’ity tany ity ialahy! Koa sambory izy ary ento atỳ amiko, fa mendrika azy ny ho faty.
Malagasy Bible 1865
Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria amin’ny andro rehetra ahaveloman’iny zanak’i Jese iny etỳ ambonin’ny tany dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa mandefasa iraka haka azy ho atỳ amiko, fa tokony ho faty izy.
malagasy
Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.