1 Samuel 20:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanambana handefona azy i Saoly ka fantatr’i Jonatana fa nofofoin’ny rainy hovonoina i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampandihizin’i Saola ny lefony, ndeha hamelezany azy. Fantatr’i Jônatasy fa nofofoin-drainy hovonoina tokoa i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natorak’i Saoly tamin’i Jônatàna ny lefony mba hamelezany azy, ka dia fantany fa tena vonona hifofo ny ain’i Davida tokoa ny rainy.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanambana handefona azy i Saoly ka fantatr’i Jonatana fa nofofoin’ny rainy hovonoina i Davida.
malagasy
Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.