1 Samuel 20:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana niala teo amin’ny latabatra i Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany ka tsy nihinan-kanina izy tamin’ny ampitson’ny tsinam-bolana; fa nalahelo an’i Davida izy, satria nanala baraka azy ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana i Jônatasy niala teo amin’ny latabatra tamim-pahatezerana mafy, ary tsy nety nihinan-kanina tamin’ny andro faharoan’ny volantsinana, satria nalahelo izy noho ity Davida dia nalain-drainy baraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsangana niala teo amin’ny sakafo tamim-pahatezerana mafy i Jônatàna, ary tsy nihinana na inona na inona ny andro faharoan’ny fety. Nalahelo mafy an’i Davida izy, satria niteny ratsy azy ny rainy.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana niala teo amin’ny latabatra i Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany ka tsy nihinan-kanina izy tamin’ny ampitson’ny tsinam-bolana; fa nalahelo an’i Davida izy, satria nanala baraka azy ny rainy.
malagasy