1 Samuel 20:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy tamin’ilay zatovo: Mihazakazaha ka tadiavo ny zana-tsipìka alefako. Nony nihazakazaka ilay zatovo dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mandehana faingana, tadiavo ny zana-tsipìka halefako». Dia nihazakazaka razazalahy ka nalefan’i Jônatasy hihoatra azy ny zana-tsipìka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nilazany hoe: –Mihazakazaha ianao erỳ aloha, ka tadiavo izay zana-tsipîka alefako. Rehefa lasa ilay zatovolahy, dia nalefan’i Jônatàna hihoatra azy ny zana-tsipîka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy tamin’ilay zatovo: Mihazakazaha ka tadiavo ny zana-tsipìka alefako. Nony nihazakazaka ilay zatovo dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
malagasy
Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.