1 Samuel 20:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy any atsimo i Davida ka niankohoka tamin’ny tany sady niondrika intelo, ary nifanoroka izy roa lahy ka samy nitomany; nefa ny an’i Davida dia mafy kokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy eny atsimo i Davida ary nidaboka tamin’ny tany dia niankohoka intelo, vao nifanoroka izy roa lahy, ka samy rafitra nitomany tamin’ny namany avy izy ireo; ary i Davida nanao ranomaso havozona mihitsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa lasa ilay mpanompo, dia nivoaka avy tao amin’ny fiereny teo atsimon’ny antontam-bato i Davida, ary niankohoka intelo tamin’ny tany teo anatrehan’i Jônatàna. Dia nifanoroka izy roa lahy ka niara-nitomany mandra-pitsahatr’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy any atsimo i Davida ka niankohoka tamin’ny tany sady niondrika intelo, ary nifanoroka izy roa lahy ka samy nitomany; nefa ny an’i Davida dia mafy kokoa.
malagasy
Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra.Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.