1 Samuel 20:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Davida tamin’i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary tokony hiara-mipetraka hihinana amin’ny mpanjaka aho; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-piavin’ny afaka ampitso hariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida tamin’i Jônatasy: «Izao àry: rahampitso no tsinam-bolana, ka tokony hipetraka eo anilan’ny mpanjaka amin’ny sakafo aho; avelao aho handeha dia hiery any an-tsaha, mandra-paharivan’ny andro fahatelo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka novalian’i Davida hoe: –Fetin’ny tsinam-bolana rahampitso; ka tokony hiara-misakafo amin’ny mpanjaka aho. Nefa avelao aho hiery any an-tsaha hatramin’ny rahafakampitso hariva.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Davida tamin’i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary tokony hiara-mipetraka hihinana amin’ny mpanjaka aho; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-piavin’ny afaka ampitso hariva.
malagasy