1 Samuel 20:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa asehoy amin’ny mpanomponao ny hatsaram-ponao; fa nampanaovinao ny faneken’NY TOMPO aminao ny mpanomponao; nefa raha manan-keloka aho dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no hoentinao any amin’ny rainao aho?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka manaova soa amin’ny mpanomponao, fa fanekem-pihavanana natao tamin’ny anaran’i Iaveh no nanintonanao ny mpanomponao ho ato aminao. Raha misy hadisoana ato amiko dia ny tenanao mihitsy mamono ahy, fa inona indray no hitondranao ahy any amin-drainao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa asehoy amiko àry ny fitiavanao, satria dinam-pisakaizana amin’ny anaran’ny TOMPO no ifamatorantsika. Fa raha toa ka misy mahameloka ahy na amin’inona izany na amin’inona, dia aoka ho ianao mihitsy no hamono hahafaty ahy, toy izay aho hoentinao any amin-drainao.
Malagasy Bible 1865
Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa asehoy amin’ny mpanomponao ny hatsaram-ponao; fa nampanaovinao ny faneken’NY TOMPO aminao ny mpanomponao; nefa raha manan-keloka aho dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no hoentinao any amin’ny rainao aho?
malagasy