1 Samuel 21:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’i Goliata filistina, ilay novonoinao tao amin’ny lohasaha Elaha no indro, mifono akanjo ao ambadiky ny efoda ao; koa raha hoentinao dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Dia hoy i Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navalin’ny mpisorona: «Ny sabatr’i Gôliata, ilay Filistinina, izay novonoinao tao amin’ny lohasahan’ny Terebinta no ao, indro mifono ny lamba kapaoty ao ivohon’ny efôda ao izy. Ka raha tianao hoentina iny, dia ento, fa tsy misy afa-tsy iny eto.» Ary hoy i Davida: «Tsy misy hoatra an’iny, ka omeo ahy iny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka novalian’ity mpisorona hoe: –Ao ny sabatr’i Gôliata, ilay Filistinina, matinao tao an-dohasahan’i Elà, fa voafono lamba ao ivohon’ny efôda ao. Raha tianao ny hitondra azy io, dia ento; fa tsy manam-piadiana hafa izahay. Dia hoy i Davida hoe: –Omeo ahy atỳ fa tsy misy tahaka iny akory.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’i Goliata filistina, ilay novonoinao tao amin’ny lohasaha Elaha no indro, mifono akanjo ao ambadiky ny efoda* ao; koa raha hoentinao dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Dia hoy i Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
malagasy
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.