1 Samuel 21:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanompon’i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy izy va no nandihizana sy nifampihirana hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo fa i Davida dia nahafaty alinalina?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpanompon’i Akisa taminy: «Tsy io va no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy io va no nanaovana hira arahim-pandihizana hoe: ‹Arivoarivo no matin’i Saola, Ary alinalina no matin’i Davida?› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny minisitr’i Akisa taminy: –Tsy i Davida, mpanjakan’ny tanin’i Israely ve ity? Moa tsy izy ve ilay nohiraina sy nandihizan’ny olona hoe: «I Saoly nahafaty an’arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty an’alinalina.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanompon’i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy izy va no nandihizana sy nifampihirana hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo fa i Davida dia nahafaty alinalina?
malagasy
Ary hoy ny mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?