1 Samuel 21:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Akisy tamin’ny mpanompony: Indro, hitanareo fa very saina io lehilahy io, koa nahoana no noentinareo tetỳ amiko?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Akisa tamin’ny mpanompony: «Hitanareo fa adala io lehilahy io, ka ahoana no nitondranareo azy atỳ amiko?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Akisa tamin’ireo minisitra: –Hitanareo tsara fa olona adala io! Ka nahoana no mbola entinareo atỳ amiko?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Akisy tamin'ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy? Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Akisy tamin’ny mpanompony: Indro, hitanareo fa very saina io lehilahy io, koa nahoana no noentinareo tetỳ amiko?
malagasy
Ary hoy Akisy tamin'ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?