1 Samuel 21:16 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa mitady olona very saina va aho no nitondranareo ity olona very saina ity hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va Ilehio?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ampy olona adala ato amiko angaha no itondranareo an’io, hanondrana eto anatrehako? Io ve dia tokony hiditra izay tranoko akory?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitady olona adala angaha aho no nitondranareo azy io hanondrana eto amiko! Tsia, tsy mba hidiran’io ny tranoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa mitady olona very saina va aho no nitondranareo ity olona very saina ity hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va Ilehio?
malagasy
Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?