1 Samuel 21:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tany Noba, tany amin’i Ahimeleka mpisorona i Davida; dia toran-kovitra i Ahimeleka rehefa nihaona tamin’i Davida ka niteny taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao fa tsy misy miaraka aminao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga tany Nôba tao amin’i Ahimelèka mpisorona i Davida. Tamy nitsena azy tamin-kovitra i Ahimelèka ka nanontany azy: –Nahoana no mandeha irery tsy misy mpanaraka ianao?
Malagasy Bible 1865
Ary Davida tonga tany Noba, tany amin'i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin'i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tany Noba, tany amin’i Ahimeleka mpisorona i Davida; dia toran-kovitra i Ahimeleka rehefa nihaona tamin’i Davida ka niteny taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao fa tsy misy miaraka aminao?
malagasy
[Ny nandosiran'i Davida nankany Noba, sy ny nialany tany nankany Gata] Ary Davida tonga tany Noba, tany amin'i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin'i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?