1 Samuel 21:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka dia efa nanome raharaha ahy ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’olona ny raharaha nanirahako sy nampanaoviko anao, koa nasaiko nankarỳ ny zatovoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akimeleka mpisorona: «Nomen’ny mpanjaka didy aho, nataony hoe: Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha nanirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any Ananona any ny olona momba ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Davida hoe: –Ny mpanjaka no efa nanome baiko ahy hoe: «Aoka tsy hisy hahafantatra mihitsy izao asa anirahiko anao izao!» Izany no nanomezako fotoana ireo tovolahy namako ireo amina toerana iray.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka dia efa nanome raharaha ahy ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’olona ny raharaha nanirahako sy nampanaoviko anao, koa nasaiko nankarỳ ny zatovoko.
malagasy