1 Samuel 21:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny mpisorona tamin’i Davida: Tsy misy mofo fihinana eto an-tanako fa mofo masina ihany no ato; raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ity mpisorona namaly an’i Davida hoe: «Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ilay mpisorona tamin’i Davida: –Tsy manana mofo tsotra aho, fa mofo voatokana ho an’Andriamanitra ihany. Nefa azoko omena ihany ianao raha tàhiny ka tsy niray tamim-behivavy ireo tovolahy ireo tato ho ato.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny mpisorona tamin’i Davida: Tsy misy mofo fihinana eto an-tanako fa mofo masina ihany no ato; raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo!
malagasy
Ary ny mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.