1 Samuel 21:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’ny mpisorona: Eny, toy ny fanao rehefa hiady dia tsy niara-nitoetra tamim-behivavy izahay; ary tamin’izaho niainga dia masina ny fiadian’ny zatovo; ary na tsy masina aza ny anton-dianay dia hohamasinina izy anio noho ny fiadiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: «Hatramin’ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin’ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny navalin’i Davida azy: –Izany tokoa, fa tsy niray tamim-behivavy izahay, toy ny taloha ihany rehefa niantafika aho; ka masina ny kitapon’ireo tovolahy namako. Ary na dia tsy masina aza ity dia hiantafika indray maka ity, dia ho masina ihany izy anio amin’ny mofo hatao anaty kitapo.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin'ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin'izaho niainga dia masina ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masina aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’ny mpisorona: Eny, toy ny fanao rehefa hiady dia tsy niara-nitoetra tamim-behivavy izahay; ary tamin’izaho niainga dia masina ny fiadian’ny zatovo; ary na tsy masina aza ny anton-dianay dia hohamasinina izy anio noho ny fiadiana.
malagasy