1 Samuel 21:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanome azy mofo masina ny mpisorona satria tsy nisy mofo teo afa-tsy ny mofo atao fanatitra izay nalainy teo anatrehan’NY TOMPO mba hosoloina mofo mafana amin’ny andro anesorana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nomen’ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan’i Iaveh mba hosoloina ny mofo mafana amin’ny fotoana fanesorana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ny mofo masina tokoa no nanomezan’ny mpisorona ho an’i Davida, satria tsy nisy mofo hafa. Ireo mofo masina ireo dia mofo natolotra tamin’ny TOMPO ary avy eo dia nesorina tao amin’ny Toeramasina mba hosoloana mofo mafana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan'i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro nanesorana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanome azy mofo masina ny mpisorona satria tsy nisy mofo teo afa-tsy ny mofo atao fanatitra izay nalainy teo anatrehan’NY TOMPO mba hosoloina mofo mafana amin’ny andro anesorana azy.
malagasy
Ary ny mpisorona nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan'i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro nanesorana azy.