1 Samuel 21:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa nisy iray tamin’ny mpanompon’i Saoly teo tamin’izany andro izany voahazona teo anatrehan’NY TOMPO; i Doega edomita no anarany; lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly izy io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao indrindra ny lehilahy anankiray amin’ny mpanompon’i Saola tamin’izay andro izay, fa voahazona teo anatrehan’i Iaveh; I Dôega Edômita no anarany, ary lehiben’ny mpiandry ny ondrin’i Saola izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’io andro io dia tonga teo anatrehan’ny TOMPO ny mpanompon’i Saoly anankiray, dia Dôega, ilay Edômita lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly.
Malagasy Bible 1865
(Nefa nisy anankiray tamin'ny mpanompon'i Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo anatrehan'i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly izy.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa nisy iray tamin’ny mpanompon’i Saoly teo tamin’izany andro izany voahazona teo anatrehan’NY TOMPO; i Doega edomita no anarany; lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly izy io.
malagasy
(Nefa nisy anankiray tamin'ny mpanompon'i Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo anatrehan'i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly izy.)