1 Samuel 22:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niala teo i Davida ka nandositra nankany amin’ny zohin’i Adolama. Nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy ka nidina tany aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala teo i Davida ka nandositra tany amin’ny zohin’i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niala avy teo i Davida, dia nandositra niery tao an-johin’i Hadolama. Raha nahafantatra izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nirohotra nankany aminy avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niala teo i Davida ka nandositra nankany amin’ny zohin’i Adolama. Nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy ka nidina tany aminy.
malagasy
[Ny nirenirenen'i Davida tany Joda sy Moaba, ary ny namonoan'i Saoly ny mpisorona maro] Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.