1 Samuel 22:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka ny mpanjaka mba hampiantso an’i Ahimeleka mpisorona, zanak’i Ahitoba, sy ny taranaky ny rainy rehetra, izay mpisorona tao Noba; ary tonga tany amin’ny mpanjaka izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampiantsoin’ny mpanjaka i Akimeleka mpisorona, zanak’i Akitoba, mbamin’ny fianakavian-drainy rehetra dia ireo mpisorona tany Nobe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nampiantsoan’ny mpanjaka i Ahimelèka mpisorona sady zanakalahin’i Ahitoba, mbamin’ny mpisorona rehetra tao amin’ny fianakaviany izay nipetraka tao Nôba; ary tonga niseho teo anatrehan’ny mpanjaka avokoa izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka ny mpanjaka mba hampiantso an’i Ahimeleka mpisorona, zanak’i Ahitoba, sy ny taranaky ny rainy rehetra, izay mpisorona tao Noba; ary tonga tany amin’ny mpanjaka izy rehetra.
malagasy
Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra.