1 Samuel 22:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Saoly taminy: Nahoana no niray tetika hanohitra ahy ianareo, dia ianao sy ny zanak’i Jese, tamin’ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’Andriamanitra mba hitsanganany hanohitra ahy sy hamandrika ahy tahaka ny amin’izao anio izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Saola taminy: «Nahoana ianao sy ny zanak’i Isaï no niray tetika hamely ahy? Fa nanome mofo sy sabatra azy ianao, ary nanontany an’Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Saoly taminy: –Nahoana no nioko hanohitra ahy ianao sy ny zanakalahin’i Jisay. Nomenao mofo sy sabatra izy; ary nanontany ny Tompo ho azy koa ianao, mba hijoroany hanohitra sy hamandrika ahy tahaka izao anio izao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Saoly taminy: Nahoana no niray tetika hanohitra ahy ianareo, dia ianao sy ny zanak’i Jese, tamin’ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’Andriamanitra mba hitsanganany hanohitra ahy sy hamandrika ahy tahaka ny amin’izao anio izao?
malagasy