1 Samuel 22:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Ahimeleka tamin’ny mpanjaka: Iza amin’ny mpanomponao rehetra moa no mba mahatoky tahaka an’i Davida izay vinanton’ny mpanjaka sady lehiben’ny mpiambina anao ary omen-kaja ao an-tranonao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly ny mpanjaka i Akimeleka ka nanao hoe: «Iza moa amin’ny mpanomponao rehetra no tahaka an’i Davida, mahatoky indrindra, vinanton’ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa no navalin’i Ahimelèka azy: –Iza amin’ny mpanomponao rehetra ireo no mba mahatoky indrindra tahaka an’i Davida vinanton’ny mpanjaka, mpiambina ny tenanao ary nohajaina fatratra tao an-dapa?
Malagasy Bible 1865
Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Ahimeleka tamin’ny mpanjaka: Iza amin’ny mpanomponao rehetra moa no mba mahatoky tahaka an’i Davida izay vinanton’ny mpanjaka sady lehiben’ny mpiambina anao ary omen-kaja ao an-tranonao?
malagasy
Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?