1 Samuel 22:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vao androany va no nanontaniako ho azy tamin’Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny taranaky ny raiko rehetra ny mpanjaka; satria ny mpanomponao dia tsy nahalala na inona na inona ny amin’izany rehetra izany na dia kely akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary moa vao androany va aho no nanomboka nanontany an’Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy izany! Ka aoka re ny mpanjaka tsy handidy ny mpanompony, amin’izao zavatra mety hahatratra ny ankohonan’ikaky rehetra izao, fa tsy mahalala na kely na be amin’izany velively akory ny mpanomponao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary moa sambany androany no nanontaniako ho azy tamin’Andriamanitra? Koa sanatriaviko ny hikomy aminao, ry mpanjaka! Aza ahiahînao aho mpanomponao na ny fianakaviako fa tsy mahalala na inona na inona momba izany rehetra izany aho.
Malagasy Bible 1865
Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vao androany va no nanontaniako ho azy tamin’Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny taranaky ny raiko rehetra ny mpanjaka; satria ny mpanomponao dia tsy nahalala na inona na inona ny amin’izany rehetra izany na dia kely akory aza.
malagasy