1 Samuel 22:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny mpiambina izay teo anilany: Mihodìna ka vonoy ny mpisoron’NY TOMPO, fa ny tanan’ireo koa dia momba an’i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ny mpanjaka dia tsy nety nanatsotra ny tanany hamely ny mpisoron’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo miaramila mpanotrona azy nitsangana teo akaikiny: «Mihodìna ka vonoy ny mpisoron’i Iaveh! fa momba an’i Davida ny tanan’ireo; nahalala azy ho mandositra ireo, nefa tsy nilaza izany tamiko akory». Tsy nety naninjitra ny tanany hamely ny mpisoron’i Iaveh anefa ny mpanompon’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hoy ny mpanjaka tamin’ny miaramila mpanotrona azy teo akaikiny: –Ndeha vonoy ho faty ny mpisoron’ny TOMPO, fa niray tsikombakomba tamin’i Davida izy ireo, satria nahafantatra ny fandosiran’i Davida izy, kanefa tsy nampandre ahy. Fa ny mpanompon’ny mpanjaka kosa tsy sahy nikasi-tanàna ny mpisoron’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny mpiambina izay teo anilany: Mihodìna ka vonoy ny mpisoron’NY TOMPO, fa ny tanan’ireo koa dia momba an’i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ny mpanjaka dia tsy nety nanatsotra ny tanany hamely ny mpisoron’NY TOMPO.
malagasy
Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.[Heb. mpihazakazaka]