1 Samuel 22:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Doega: Mihodìna ianao ka asio ny mpisorona. Ary nihodina i Doega edomita ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valopolo nisalotra efoda vita amin’ny lamba rongony izy tamin’io andro io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Dôega: «Mihodìna, ianao ka vonoy ny mpisorona!» Dia nihodina i Dôega ilay Edômita ka izy no mamono ny mpisorona, ary olona valopolo lahy samy manao efôda rongony no matiny tamin’izay andro izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy ny mpanjaka tamin’i Dôega: –Mandehana vonoy ho faty ireo mpisorona ireo. Dia lasa tokoa i Dôega ilay Edômita ka izy mihitsy no namono nahafaty ny mpisorona. Lehilahy 85 mpisalotra ny akanjo masina no matiny androtrio ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Doega: Mihodìna ianao ka asio ny mpisorona. Ary nihodina i Doega edomita ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valopolo nisalotra efoda* vita amin’ny lamba rongony izy tamin’io andro io.
malagasy
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.