1 Samuel 22:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra koa i Noba, tanànan’ny mpisorona; ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman’osy dia voan’ny lelan-tsabatra avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasian’i Saola tamin’ny lelan-tsabatra koa i Nobe, tanàna-mpisorona, ka matin’ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Nôba tanànan’ny mpisorona koa nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ka ringana avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy, na ny ankizy na ny zaza minono, na ny omby na ny boriky na ny ondry.
Malagasy Bible 1865
Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy.