1 Samuel 22:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny olona nanam-pahasahiranana rehetra sy izay nanan-trosa rehetra ary izay nanana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy ka izy no tonga mpifehy azy ireny; tokony ho efajato lahy no niaraka taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorîna, ny ananan’olon-trosa, ny manana alahelo rehetra, ka tonga filohan’ireo izy, ary nisy sahabo ho efajato lahy no teo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitangorona teo aminy ny olona tokony ho efajato lahy, dia ireo olona sahirana sy ireo bokan-trosa ary ireo tsy faly; izy no tonga filohany.
Malagasy Bible 1865
Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.