1 Samuel 22:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ren’i Saoly fa fantatra izay misy an’i Davida sy ny olona izay nanaraka azy. Nipetraka tao Gibea, teo ambanin’ny hazo tamarisika teo an-kavoana i Saoly tamin’izay; teny an-tanany ny lefony ary ny mpanompony rehetra dia nitsangana teo anilany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’i Saola fa hoe hita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Tamin’izay i Saola nipetraka tao Gabaà, tambanin’ny tamariska teo an-kavoana, nitana lefona teny an-tanany; ary nilahatra nanodidina azy ny mpanompony rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatr’i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ireo niaraka taminy. Tany Gibehà i Saoly tamin’izay nipetraka teo ambanin’ny hazo tamariska tambony havoana, sady nitana lefona. Nijoro teo anilany ny mpanompony rehetra; ka hoy i Saoly tamin’izy ireo:
Malagasy Bible 1865
Ary ren'i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin'ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin'izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ren’i Saoly fa fantatra izay misy an’i Davida sy ny olona izay nanaraka azy. Nipetraka tao Gibea, teo ambanin’ny hazo tamarisika teo an-kavoana i Saoly tamin’izay; teny an-tanany ny lefony ary ny mpanompony rehetra dia nitsangana teo anilany.
malagasy