1 Samuel 22:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
no dia miray tetika hanohitra ahy ka tsy nisy nanambara tamiko fa nanao fifanekena tamin’ny zanak’i Jese ny zanako, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo na nanambara tamiko fa ny zanako dia nanome fo ny mpanompoko mba hamela-pandrika amiko tahaka ny amin’izao anio izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
no dia iray tetika hamely ahy ianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin’ny zanak’i Isaï ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin’izany ianareo na nampandre ahy, fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nahoana no mioko hikomy amiko ianareo rehetra? Ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa ny zanako dia nanao dinam-pisakaizana tamin’ny zanakalahin’i Jisay. Tsy mba nisy taminareo nanahy kely akory ny amiko, raha nitaona ny mpanompoko hamela-pandrika ahy ny zanako, dia tahaka izay mitranga anio izao.
Malagasy Bible 1865
no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin'ny zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
no dia miray tetika hanohitra ahy ka tsy nisy nanambara tamiko fa nanao fifanekena tamin’ny zanak’i Jese ny zanako, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo na nanambara tamiko fa ny zanako dia nanome fo ny mpanompoko mba hamela-pandrika amiko tahaka ny amin’izao anio izao?
malagasy