1 Samuel 23:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Indro ny Filistina dia mamely an’i Keila ka mamabo ny ao am-pamoloana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida hoe: «Indreo ny Filistinina mamely an’i Keilà, sady mamabo eny am-pamoloana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nisy nampandre an’i Davida fa notafihin’ny Filistinina ny tanànan’i Kehilà ka norobainy izay teo am-pamoloana sy tany an-tsompitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Indro ny Filistina dia mamely an’i Keila ka mamabo ny ao am-pamoloana.
malagasy
[Ny namonjen'i Davida an'i Keila] Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.